[doty! x3000] [daka!] [bex?]

Efa nisy 50 taona amin’ny 2010 izao ny fahaleovantenan’ny Madagasikara. Betsaka ny fihovana ary betsaka tokoa ny zavatra mbola mila amboarina. Tadidinareo vê ny tamin’ny 1960? Hoy ny olona hoe tamin’iany fotoana izany no tsara indrindra ny fiainana taty dago. Hoy dray ny sasany hoe ny tolona tamin’ny 1975 no tena nampiova zavatra. Izaho kosa dia tsy nahita firy ny tamin’ny 80 satria mbola kely lotra fa ny 1991 no tadidiko tsara teo @ 13 mai. Misaotran’ireo namana be dia be zay nandray anjara tamin’ity lalao ity aho ary mbola miandry an’izay te hamaly an’ireto fanitanina telo mora kely ireto.

Iza moa ianao?

Vehivavy aho, teraka tany Ambatondrazaka (ray aman-dreny merina fa i Dada no lehibe tany Antsihanaka), rehefa feno telo taona aho dia affecté tany Mahajanga ny raiko, rehefa feno 18 taona aho dia nifindra tany Antananarivo noho ny fianarana ary nifindra taty Eoropa teo amin’ny faha-29 taonako noho ny fitiavana.

Tamin’ny ahoviana ny taona tsara indrindra taty Madagascar?

Amiko tsy nisy taona tsara indrindra ho an’i Madagasikara. Ny taona tsara indrindra ho ahy dia ny taona nanafoanana ny fanaovana service national :-D

Ahona no fieveranao an’ny Madagasikara amin’ny taona 2010 tamin’izany fotoana izany?

Amiko Madagasikara dia malemy loatra ara-tsosialy (matahotra ny hatao hoe tsy tia vahiny angamba dia manome vahana be loatra ny vahiny); ara-ekonomika: manana ny atouts rehetra hisondrotana saingy tsy manana système maty paika na raha manana dia tsy arahina izany. Ny fahitako manokana an’i Madagasikara amin’izao taona 2010 izao dia feheziko amin’ny fiteny hoe: Mbola ho ela e!

Inona ny havatra homenao hoan’ny ankizy ankehitriny
Azafady raha misy tezitra fa ny ahy ny hafatro ho an’ny tanora Malagasy dia tsy misy afa-tsy ny hoe: Raha te-hanome ho avy azo antoka ho an’ny taranaka dia ataovy izay hipetrahana aty Eoropa! Tsarovy anefa fa tsy misy ny tonga dia mamantam-bonona fa tsy maintsy miezaka mafy!

6 Responses to “Indray andro izay taty Madagasikara…tadidin’i Lalasoa”

  1. on 11 Jan 2010 at 3:40 pmikalamako

    !tehaka jogany nahay nandika teny gasy ny teny fampidirana :P
    !doty raha vao misy aza ampijaliana ny tenintsika ao an !
    !bex lalasoa nandray anjara

  2. on 12 Jan 2010 at 6:31 pmjogany

    !bizoroka ikalamako fa milay be daholo ny lahantsoratra nalefanao MILAY TROP!!
    lalasoa>be dia be ny tantara rehako momban’ilay service national iny . hoe nalefa any ambanivohitra ny tanora sns. marina fa any ivelany no tena miadana no ny any dago. fa tsy hotrany hoe mandositra adidy daholo ve isika? izaho koa makony aty ivelany nefa matsiaro ny fiainana any dago foana. tsy ho tamana aty mihitsiny aho nefa, na dia misy aza ny asa sns. Fahitako azy hoe aleo samy mihezaka daholo na aty ivelany na any dago!

  3. on 15 Jan 2010 at 6:18 amtomavana

    “- ataovy izay hipetrahana aty Eoropa! [...]”
    “- tsy hotrany hoe mandositra adidy daholo ve isika?”

    Misy namana tsara fivelomana izay fanampiana BE hoan’ny fianakaviana sy ny tanindrazana ny fipetrahany aty ivelany, misy kosa ireo izay mifikitra mipetraka aty Eorôpa na dia faran’izay efa mitsipôzipôzy aza, nohon’ny fahatahorana ny vavam-bahoaka raha mody angaha?

    Angamba samy manana ny fiheviny sy ny fahamarinany fa raha ny momba ahy manokana aloha dia mitovy hevitra amin’ingahy Charles Aznavour hoe “heveriko fa maivamaivana kokoa ny fahoriana raha mba misy masoandro (fara-faharatsiny)” [Il me semble que la misère. Serait moins pénible au soleil | "Emmennez-moi!"]

  4. [...] Many Il était une fois Madagascar…par Sarisary Il était une fois Madagascar…par Lalasoa Il était une fois Madagascar…par Achille52 Il était une fois Madagascar…par Harinjaka Il [...]

  5. on 17 Jan 2010 at 2:12 pmariniaina

    Samy manana izay mampety azy na ny any ivelany na ny aty Dago na samy manao izay mampety angamba no tena marina. Toa ahy aloha dia teto Dago, eto Dago ary ho … mbola tsy hay ny ho avy fa dia : “Working hard, playing hard” :D dia mba metimety eo e :D

  6. [...] Many Il était une fois Madagascar…par Sarisary Il était une fois Madagascar…par Lalasoa Il était une fois Madagascar…par Achille52 Il était une fois Madagascar…par Harinjaka Il [...]

Trackback URI | Comments RSS

Leave a Reply