BarCamp: Fa inona moa izany?
http://barcamp.org/TheRulesOfBarCamp-mg
A BarCamp in Madagascar Oct.10
VONDRON'OLONA SY FAHALALANA
Fivondronan'olona tsotsotra nianga tamin'ny hetahetan'ireo olona ireo hifampizara fahalalana ao anatina tontolo misokatra ny BarCamp. Tena manan-danja tokoa io hetsika io satria misy fifampiresahana, fampirantiana sy fifandraisan'ny mpandray anjara.
N'iza n'iza manana zavatra azony zaraina na mangetaheta fahalalana dia mahazo tonga ary tena asaina mihitsy ho tonga handray anjara.
Rehefa tonga ianao, miomana hifampizara amin'ny mpandray anjara amin'ny BarCamp.
Rehefa lasa ianao, miomana hifampizara amin'izao tontolo izao.
TSY MISY MPIJERY FOTSINY, MPANDRAY ANJARA DAHOLO
Tokony hampiseho zavatra daholo ny mpandray anjara, maka lohahevitra iray na manampy amin'ny fakarakarana lohahevitra iray. Ny seho rehetra dia alahatra sy ampahalalana ny daholobe amin'ny andro anaovana azy. Miomana mialoha ianao, ary tongava aloha sao tsy misy toerana intsony ny solaitra misy ny fandaharampotoana. Afaka mifidy ny lohahevitra tiany ny mpandray anjara amin'izay.
Tompon'andraikitra amin'ny fametrahana ny naoty/sary/sarimihetsika amin'ny aterineto ny mpandray fitenenana rehetra mba ahasoa no rehetra sy ireo izay tsy afaka tonga.
HO AN'NY REHETRA NY BARCAMP
Raha te-handray anjara ianao, na manana fanontaniana dia aza misalasala miresaka aminay. Teneno izahay raha manao BarCamp ianareo. Raha resaka BarCamp dia sady ao ny firaketana no ao ny fahalalana.
web: http://barcamp.org/
imailakal: barcamp@gmail.com
irc: freenode.net #barcamp
lisitr'adiresy: http://groups.google.com/group/barcamp
Ny lalànan'ny BarCamp
.
- lalàna voalohany: Hiresaka momba ny BarCamp ianao.
- lalàna faha-2: Hitoraka bilao momba ny BarCamp ianao.
- lalàna faha-3: Raha handray fitenenana ianao dia tokony hanoratra ny lohahevitra raisinao, miaraka amin'ny anaranao ao anatin'ny toerana fampisehoana ireo lisitra ireo.
- lalàna faha-4: Voanteny telo ihany no atao fampidirana.
- lalàna faha-5: Arakaraka ny habean'ny toerana ihany no isan'ny fandraisana fitenenana.
- lalàna faha-6: Tsy azo atao ny mamandrika fotoana handraisana fitenenana, tsy misy mpitsangatsangana.
- lalàna faha-7: Ny halavan'ny fandraisana fitenenana dia arakaraka ny tokony hampety azy, ary ajanona kosa rehefa tonga ny fotoanan'ny fandraisana fitenenana manaraka.
- lalàna faha-8: Raha vao-voalohany ianao no manao BarCamp dia TSY MAINTSY mandray fitenenana. (Eny e, tsy misy manery anao, fa fara-faharatsiny mitadiava olona hiarahana amin'ny fandraisany fitenenana, na mametraha fanontaniana ary mba aza mijery fotsiny fa mandraisa anjara amin'ny zavatra miseho e!)
nataon'i Tantek Çelik, fananianiana ny Lalànan'ny Fight Club.
Torolalana hafa
Ny fandraisana fitenenana hivarotana dia tsy tena azo ekena loatra, aleo manao DemoCamp izay azo asiana fandaharana fandraisana fitenenana ho an'izany… Mahasosotra mantsy raha feno resaka varotra ny fandaharampotoana.
Fomba hafa ahafahanao maneho ny fanohananao
- Mandefa taratasy fisaorana na manatsara ity wiki ity!
- Ny fanomezambola no ahafahanay manao izao: manana compte paypal ny factorycity.net
- Mpandray anjara sy Mpikarakara: Inona no nety? Inona no tsy nety? Inona no azo hatsaraina (ary ahoana no hanatsarana azy) ? Fakafakao ato: PostMortem sy ato LostFound
- Mikarakara BarCamp ao an-tanana.
- Mamaly ny fanontaniana ao amin'ny lisitry ny fanontaniana mipetraka matetika.











[...] has translated the BarCamp wiki page in Malagasy [...]