The Purple Corner

Don’t want to change the world | Only want to stop pretending

“aza Ampijalina Ny Tenintsika” : Ahona Ny Momban’ny “abréviation” Sy Ny Soratra “texto”?

By jogany • May 4th, 2008 • Category: Features

Enti-Mody no 3: Ahona ny "abréviation"?

Efa hita fa tena tsy mahavoa firy i Jogany amin'ny teny gasy ka na mamaly ny fanitaninany aza tsy vitany! Inona moa ny "abrévation" amin'ny teny gasy? hmmmmmm …

Ny fahitako azy hoe ny soratra amin'ny teny gasy dia lava be daholo ka draydray maha kamo no manoratra azy manontolo. Ohatra hoe @ firy izao? Io @ io tokony hoe amin'ny mitovy amin'ilay cad (c'est-à-dire) na rehefa tena grave dia brb (be right back). Ka nefa rehefa teny hafa ilay izy dia lasa atao rehefa maka lesona, rehefa manoratra aingana be ireny (cad, m^, ltpgs…) dia lasa mivadika language texto (lol, ttyl, …)

Ny tena grave dia rehefa mampiasa anarana tanana ohatra hoe Ambohimanambola dia ilay Ambohi- lasa hoe A(hi)manambola. Mampimehy be rehefa amin'ny carte ireny lasa tsy fantatra intsony ny anaran'ilay tanana satria fohy lotra… Fanitanina hoan'ireo puriste izany ity : Inona no azo ampiasana izany rehefa kamo kamo manoratra ka hoe mba te hitazona ny teny gasy ihany?

____ 

Enti-Mody no 2: ahona ny (an'ny) sy ny (an'i)?

Mba miova kely indray ny teknika amni'ity iray ity fa tena aleko tonga dia manotany toa izay miteniteny foana (euhhhhhh efa zatra moa nareo fa bon…j'insiste pas) :

Ahona kay ny fanaovanan'ilay hoe :

- (-an' ) amin'ny farany ireny , ohatra hoe : Ny fitiavan'i Mama sa hoe Ny fitiavan'ny Mama na hoe Ny momban'ny Foko sa hoe ny momban'i Foko.

Fantako fa misy resaka hoe rehefa (-i) dia anaran'ny (io dray) olona manaraka eo, raha toa ka misy lohantsoratra tsy hita momban'io dia mba alefaso hoe ry reto an….  

____ 

Enti-Mody no 1 : 

Misaotra ny ao amin'ny mpanoratra ao amin'ny Madagascar Encyclopedia tamin'ity fanitsiana iray ity :

Ny tendro hita matetika ao amin'ny teny gasy dia ny tendro satroka [^ sy ny tendro miraika havia [è, à, ò hoan'ny fitsindrim-peo.

- = ilay

- = ve

- é = e

jerevo ato @ lapino ny momba'ny tsindrim-peo

Zay aho vao nahitan'ikalamako tezitra hotran'izao (snif)

Ekeko daholo izany rehetra izany, nefa mino aho fa ny fampandrosoana ny tanintsika dia ny fanajantsika indrindra indrindra ny antsika : atomboka amin’ny fiteny sy ny teny malagasy izany. Andrianiko ny teniko, fandre matetika io fiteny, izany hoe ataoko toa ny andriana ny teniko.

ok ok...Ito ary ny valin'i lapino (milay be), laolao tag vaovao!

(za zany efa resy be nefa mba handray anjara ihany, ary ianao??)

Share on Facebook

jogany is
Email this author | All posts by jogany

22 Responses »

  1. ikalamako ho’aho tsy tezitra fa niangavy hoe handao hiezaka !!!
    Tsara be aloha ilay hevitr’i lap e ! Efa mitady enti-mody aho io, hihihi
    Sady toa misy ihany kay ny mazoto koh ! “Fitaizana sy fanalana” hono ho’aho ny eto!
    Za kosa klou talohan’ny namoahako an’iny lahatsoratra iny efa nanao tour kely t@ namana e, dia efa nahazo tso-drano hoe teneno fa mety misy ny hihaino. Atsipy ny tady any an-tandroky ny omby hono, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.
    I jogany aloha dia hitako tena manao ezaka be, sans blague hein ! Donc ça a servi à quelque chose, nann?
    Soa mipetraka daholo anie izany rankizy e !

  2. Handray anjara isika izany ry Jogany a !

    (mbola tsy novakiako ilay comment ao amin’ny fcbk fa efa haiko fotsiny hoe nanoratra ony i jogany sy tatisy :-P ).

  3. psiiiiiittt
    d ahona io cyber-fety fa za oui oui fotsiny

    pissoa>merci t@ lé traduction fa tsy nasaha nanitany aho….tena soa ihany fa r@ juin fa mety enjana be…sniffff,,…scratch scratch scratch
    ikalamako>lol!

  4. tairo ny cyber fa vita foana io ! sshhhh
    Ny important mbola tsy lasa vacances ny olona, donc avant fin juin, sinon bye bye !
    Tsy mba azo angatahana ve i sefo hery sy ingahy jean-marc webmasters RVG mba handray anjara na dia 15 mn aza ny RVG hanomana kabary na poezia na asa …hevitra ny ahy iny ; ohatra hoe asaina mi preé-enregistrer poezia manokana momba io andro io i DadaRabe na pissoa na tsikisariaka na toetra Raja na ny Eja na izay manan-talenta e.
    On a encore 3 mois pour y penser, non ? Mila mikaon-doha any @ mail, hahaha

  5. Ary mbola tsy tonga akory ny Aprily dia efa nahavita enti-mody jogany hi hi. Nefa milaza hoe soa fa mbola ela ny Jiona.

    Oeee ! Congrats eee !

  6. ary mba in lesy no niavian’ilay hoe “kle” :-P

  7. pissoa>auto-enti-mody io, ary mety hataoko matetika…dur dur
    simp>izy io ve tsy teny ratsy? kay ilay alika e ?!?!?!?!?! (im just guessing)
    IKALAMAKO>MAIL MAIL MAIL

  8. Tsy azo atao hoe diso ilay fanazavan’i jogany amin’ilay “klé” an!

    Bravo akia an…

  9. marina ny fanazavan’i jogany e ! izay miteny na manoratra kle dia manohy any an-tsainy oe …lika e ! :-D

  10. ikalamako>rehefa malaladalaka manoratra mail momban’ilay cyber-fety fa mbola tottra be ato!
    ikalakely> idem pour ZVefa azoko lé mail fa mila concentration kely lol

  11. Ataovy miadana e!

  12. Ilay -an’i sy -an’ny :

    Toa efa voavalin’i Jogany ihany hoe rehefa anaran’olona dia “i” ! Amin’ny ankapobeny dia rehefa anaran-tsamirery (nom propre angamba amin’ny teny Frantsay) dia “i” no ampiasaina, ary rehefa anarana iombonana (nom commun) dia “ny” no ampiasaina.

    Ohatra : Ray aman-drenin’ny mpianatra. Ray aman-drenin’i Pissoa.
    Nohanin’ny aliaka. Nohanin’i Zeus.

    Rehefa milaza fotoana dia “ny” no ampiasaina. Ohatra : Tamin’ny Alatsinainy.

    Rehefa toeana koa raha tsy diso aho. Eo alohan’ny MacDo :-P

    (Toa mbola misy hafa fa tsy tadidiko aloha izao, hi hi)

  13. Ny ahy “neny” no tiako kokoa noho ny hoe “Mama” satria noho ny antony hoe manja kokoa ilay voalohany fa indrindra noho ny:

    * Ny Fitiavan’i neny
    * Ny Fitiavan-dreny

    mora kokoa :P

  14. misaotra tompoko ô
    messi madama sy ramose
    Ka any aminay Neny = Bebe - grandmère…

  15. mba nandalo dia nivily
    mahafinaritra fa misaotra e ! :-)

  16. ry jogany koa dia mitady lesona kompliké be kah !
    Ny ankizy manao sms tokoa tsy manafohy teny gasy fa teny vazaha fa io no “azo ampijaliana universellement” angamba :-P

  17. abréviation= fanafoezan-teny raha tsy diso za :)

    ny ahy aza c’est à dire tena ie fotsiny!lava loatra ilay càd :D
    Il faut dire que mes notes sont illisibles!il n’y a que moi qui puisse les lire! je suis une fainéante de nature quand il s’agit de prendre des notes!lol! c’est vrai quoi! c’est trop de boulot

  18. Degany be zany fanontanian’Jogany zany !

    Ilay tanana tokoa aloha manahirana be e. Tsy maitsy mahafantatra hoe ho aiza aho izay vao mahazo ny dikany. Tsy haiko intsony raha hatsikana na tena misy ilay hoe Tananave Ivato ? Nefa Tananarive - Ivato no tiana holazaina hi hi.

    Izaho toa tsy mahafantatra fanafoezan-teny ankoatra ny @. Angamba tsy maitsy miaritra amin’ity halavan’ny teny gasy ity isika hi hi. (ilay genre ttyl sy tgif izany fa tsy ilay hoe VVS = Vy Vato Sakelika akory)

  19. Ny anay indray aloha rehefa kamo manoratra ML (malagasy) dia atao abrev’ e (abreviation)

    oh: (ohatra), ny tanananay any M/kara dia A/gy ambony (Andravoahangy ambony) . Ny Ambohimananmbola tsy haiko an! ny Andrianampoinimerina koa tsy mbola nisy nanafohy

    ny tena mahazatra dia ny A/tra, M/kara, h@, zvt (zavatra), manga², oh (ohatra)
    Histo-Géo koa ve izy? hihihi

    Nandalina be ndry t@ ity fa toa tsy mahita abrv° firy @] teny ML marina aho…

  20. maintikely sy pissoa :-P “aza ampijaliana ny tenintsika” fa fototeny FOHY noho izany fanafohezan-teny (mihinana raha tonga eo ingahy Dot an !!!!

  21. ikalamako: marina tokoa izany!
    azafady @tenintsika :D

    Misaotra akia nanitsy an

  22. (Tadidiko tampoka lol)

    sns = sy ny sisa (etc).

    Ikalamako : misaotra.

Leave a Reply