Gvo Amin’ny Teny Malagasy, Antson’i Pissoa
By jogany • Mar 18th, 2008 • Category: FeaturesRaha manam-potoana ianareo, dia misy hetsika mahafinaritra be (ho an'ny mpankafy sy mpandala ny teny Malagasy) ao amin'ny Global Voices Online ho fanandratana ny teny Malagasy (sy ny teny maro hafa) sy ho fampahalalam-baovao.
Ny zavatra atao dia tsotra be : mifidy lahasoratra ao amin'ny GVO dia adika amin'ny teny Malagasy … Avoaka ao amin'ny GVO amin'ny teny Malagasy ny lahatsoratra avy eo. Tsy misy teritery fa na in-1 mandeha isaky ny mazotoa ihany aza, hi hi.
Ny tombony : (ny efa fantatro no lazaiko) Mitombo ny fahaizana ny teny Anglisy, mitombo koa ny fahaizana manoratra ! Ny fahalalana ankapobeny koa mandeha ho azy satria mba lasa maharaka vaovao eran-tany.
Raha tsy afaka mandika teny : dia tsy maninona fa afaka mamaky fotsiny ! Afaka mamela hevitra koa, fa ny hahenoana ny hevitry ny olona ***tsy misy sakantsakana*** moa no isan'ny tanjon'ny GVO (sy ny mpi-blaogy maro).
Te handray anjara ? Manorata any amin'ireo mpandrindra ary mangataha fanazavana fanampiny mikasika izany.
Misaotra anareo - dia ho ela velona anie ny teny Malagasy.
Bizz bizzz (Pissoa)
jogany is
Email this author | All posts by jogany










