Publié par gazetyavylavitra sur février 18, 2008
Niditra tao Sainte Marie omaly ny cyclone IVAN. Nandrava zavatra maro, fa ny tena tiako hampitaina eto dia ny fahatapahan’ny fifandraisana nahatonga faty olona sivy tany an-toerana. Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin’ny olona valo hafa izy. Ary dia io rainy io kosa nandefa antso vonjy tao amin’ny RNM (Radio National Malagasy). Naverina tao amin’ny Radio io antso io sao mba misy afaka mamonjy azy ireo any an-toerana. Rehefa avy nandefa ny antso tao amin’ny Radio ity raim-pianakaviana dia niverina niantso an-janany tamin’ny telefaonina indray, nefa indrisy fa tsy nisy nandray intsony izay antso rehetra nataony.










eh non lui ne fait se contente pas des copy-past des News (comme on aime bien le faire…)
C’est avec plaisir que je porte sa voix qui a généreusement porté celle des autres. Commentez commentez commentez