Ny Nampisaraka Ny Rantsana Dimy

 

 

Samy nanana ny heviny, hono, ny rantsana dimy, toy izao:

 

  1. Hoy ny ankihikely: “Noana aho izany”
  2. Namaly kosa ny manaraka hoe : “Noana ka tsy mangalatra”
  3. Fa hoy kosa ny manaraka : “Mangalatra ve tsy ho very?”
  4. Dia hoy ny fanondro : “Very tsy avotana”
  5. Fa hoy kosa ny ankihibe “Hihatakataka aho fa olon-dehibe”

 

Izany, hono, no nampisaraka ny rantsana ho dimy sy nahatonga azy ho lava sy fohy. Ny ankihikely no kely ka noana lalandava ; ny manarakaraka sy ny fanondro no fohy dia botrin’ny sain-dratsiny, ary ny ankihibe sy ny tondro ampovoany no lava sy lehibe dia noho ny hamarinany.

 

Anganon’ny Ntaolo (Tonta Fahavalo), Pejy 179.

 

  1. Je ne la connaissais pa celle là ! Décidemment je vais en sortir bien enrichit (culturellement parlant il va de soit ;) ) de ce blogathon :)

    • jogany
    • July 28th, 2007

    et moi donc…..
    n va partager nos rêves et nos cauchemars(lasa rem…eny ê….)

  2. je connaissait le “Noana aho izany” etc mais je n’avais pas imaginé le lien avace les rantsana dimy :)
    tout a fait d’accord avec Many, on sortir bien enrichit :D

  1. No trackbacks yet.